Andro maneran-tany ho an’ny Radio, ankalazaina isan-taona, omaly. Fitaovam-pifandraisana mbola be mpihaino ny Radio eto Madagasikara. Satria, izy no mitondra loharanom-baovao ho an’ny 80% amin’ny Malagasy amin’ny tanàn-dehibe sy ambanivohitra, araka ny fanazavana nomen’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra, omaly, nandritra ny fanamarihana ny hetsika teny amin’ny Havoria Anosy.
Nofidin’ny Unesco ho lohahevitra tamin’ity taona ity ny “Onjampeo sy ny fiovan’ny toetr’andro”. “Satria, mitondra voka-dratsy maro ho an’ny fahasalamana, fihariana, fiainan’ny mponina amin’ny andavanandro ny fiovan’ny toetr’andro”, hoy ny solontenan’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco, Rajaonarivelo Hasina. Mampahafantatra ny antony sy ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ary manampy amin’ny fanabeazana ny mpihaino hikajy ny tontolo iainana
ny fandaharanasa mandeha amin’ny onjam-peo. 550 ny isan’ny Radio eto Madagasikara, raha 175 ny fahitalavitra ka mbola matanjaka ny onjam-peo hitondrana fanentanana hiteraka fiovam-pihetsika tsara any amin’ny mpihaino.
Mbola voaporofo fa manana ny lanjany ny Radio nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus ka nandefasan’ny onjampeo rehetra ny fepetra ara-pahasalamana isorohana ny valanaretina teto amintsika. Nampitaina mivantana tamin’ny onjam-peo 37 teto an-dRenivohitra ny fandaharana «feo iray» ho fanamarihana ny hetsika. Nizarana boky tantara an-tsary Ilontsaina artifisialy avy amin’ny Unesco ny mpianatry ny Oniversite Ravelojaona sy ny Club Unesco.
Vonjy