Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny “Economic Development Board of Madagascar – EDBM”, Randriamandranto Joel.
Nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fisintonana ireo mpampiasa vola vahiny sy ny hanamorana ny hahatongavan’izy ireo eto Madagasikara. Nofaritana, tamin’izany, ny fomba hanehoana ny fiaraha-miasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny lafiny fananantany, ny fanajariana ny tany ary koa ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fihariana eny ifotony.
Etsy andaniny, hitondra ny anjara birikiny ny eo anivon’ny MFFT amin’ny fametrahana tontolo madio sy milamina, ahafahan’ireo mpampiasa vola vahiny ho marin-toerana amin’ny sehatra hataony. Eo ohatra ny momba ny fiarovana sy fiahiana ny sehatry ny fananantany mba hiantohana ny hahatanteraka ny tetikasan’ireo mpampiasa vola, araka ny tokony ho izy.
Hampirindra ny fampiasam-bola
Manampy izany, ny fanatanterahana ny drafitry ny tanàn-dehibe sy ny fanajariana ny tany mba hirindra araka ny tokony ho izy ny fampiasam-bola sy ny fampandrosoana. Iarahana miasa amin’ny eny ifotony izany, amin’ny alalan’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana mba hampivoarana sy hiroboroboan’ny toekarena.
Tafiditra amin’ny finiavan’ny andaniny sy ny ankilany amin’ny hanamafisana ny fitantanana izany. Hisitrahana ny fampandrosoana iarahana amin’ny mpandrahara ara-toekarena.
Tsiahivina fa anisan’ny niara-nidinika tamin’izany ny tale jeneralin’ny EDBM, Josielle Rafidy.
Synèse R.