Fototra maha firenena: Nopotehin’ny politika ny teny malagasy

Iray amin’ireo fototra ijoroan’ny firenena, ny teny. Misy ny itambaran’ny mpiara-monina voafaritra anaty toerana iray. Ao koa ny iraisana ao anatin’ny firenena iray. Ireo roa ireo, samy singa mirakitra ny soatoavina avokoa. Ho an’ny teny mala­gasy, tsy afa-nivelatra izy io noho ny tontolo politika.

… Taona 1975, tsikaritra ho tafiditra tsikelikely tao anaty lalan-diso ny fampiainana sy ny fampivelarana ny teny malagasy. Nezakeza­hina mafy tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra politika ny fanatanterahana ny « fanaga­siana ». Tsy nisy dinika sy fifampierana teo amin’ny tompon-kevitra sy ireo tomponandraikitry ny fampianarana tamin’izany fotoana izany fa avy hatrany dia ny fomba hanatanterahina azy io no naha maika.
Mbola nahazo vahana tany amin’ny sehatra maro (asam-panjakana, didy aman-dalana, fitsipika isan-karazany…) ny fampiasana ny teny frantsay. Fanapahan-kevitra politika noraisin’ny mpitondra tamin’izany, anefa, ny hitsipaka an’ny « Reny malala » sy ny forongony. Vao mainka nanamafy orina ny fidirana ao anaty « fanagasiana » io tranga io.
Fahapotehana goavana be nianjady tamin’ ny teny malagasy ny amboletran’ny « fanagasiana », nanomboka teo. Diso tanteraka mantsy ny fampiharana azy ity, vokatry ny tsy fisian’ ilay fifampierana tokony ho natao tany am-boalohany. Nanezaka mafy tamin’ny fandikana voambolana sy anarana ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana. Lany fotoana be tamin’ny fitadiavana ny dikan’ny « tube à essai » ho goro fanahotoana. Ny « tournevis » ho soko­drevo. Ny « domaine de définition » ho vala famaritana, sns. Potika ilay teny malagasy satria nanjary sadasada manan-tsoratra. Tsy hain’ny tany aloha, tsy voafehin’ny taty aoriana.

Natao ny fanarenana saingy…

Mbola fanapahan-kevitra politika ihany no nanarenana ny lesoka navelan’ny Repoblika faharoa. Tsy notohizana ny « fanagasiana ». Saingy, tsy nisy anefa ny fepetra nifanaraka tamin’izany. Samy nandrirotra izay heveriny fa mety ny isan-tsehatra. Nanatombo kokoa tamin’ny fahaizana teny vahiny, ohatra, ireo mpianatra tany amin’ny sekoly miankina amin’ ny finoana raha ampitahaina amin’ireo mpianatra tany amin’ny sekolim-panjakana. Naha­ritra an-taona maro ny fahasamihafana.
Nanome endrika hafahafa ny teny mala­gasy, teny anivon’ny fiarahamonina io tranga io. Izay miteny na miresaka amin’ny teny mala­gasy madiorano, « ambany ». Izay zaza na ankizy na tanora mpianatra mampiasa ny teny frantsay, « ambony ». Mba hitoviany amin’ny hafa, napetrapetraka ny teny malagasy fa aleo mampiasa ny teny frantsay, na tsy ho fehezan-teny manontolo aza.

????????????????????????????????????

Niverina ny fanapahan-kevitra diso

… Nomena toerana indray ny fampiasana ny teny frantsay. Fanapahan-kevitra politika io. Voakasika be indrindra amin’izany ny tonto­lon’ny fampianarana. Malalaka be ny fampiasana ny teny frantsay any amin’ny fampiana­rana ny taranaka malagasy. Tsy nisy fanapahan-kevitra politika, na mpanapa-kevitra politika sahy nilaza na namoaka didy na lalàna fa : « ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra any an-tsekoly ». Tahaka izany ihany koa, tsy nisy fanapahan-kevitra politika nilaza fa « ny tenindreny no hoenti-manabe ny taranaka mala­gasy ».
Vao mainka niroborobo fatratra ny fanokafana sekoly mampiasa ny fandaharam-pianarana frantsay. Mampiasa ny teny frantsay. Misy ihany ny mampiasa ny teny hafa toy ny teny anglisy fa vitsy. Niharihary be ilay « fihenam-bidy » sy fivarinan-kasina eo amin’ny teny mala­gasy, satria, miha vitsy andro aman’alina ny taranaka malagasy mampiasa azy. Ny teny raha vantany tsy ampiasaina na vitsy mpampiasa, efa an-dalam-paharavana izy izay.

Ny fampitiavana ny teny malagasy no maika

Manalavitra tsikelikely ny teny malagasy ny Malagasy. Ny taranaka fara mandimby no tena tratran’io tranga io. Noho izany, ny fampitiavana sy fampiainana indray ny Malagasy ny teniny no maha maika. Ilaina ny fandikan-teny tahaka ny nisy tamin’ny fotoan’ny « fanagasiana », saingy, tsy tokony ho laharam-pahamehana.
Havaozina hatrany ifotony ny taranja mala­gasy ampianarina any an-tsekoly. Avoaka ny didy aman-dalana milaza mazava fa: « ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra ny taranaka malagasy ». Omena vahana ny fampiasana ny tenindreny eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana (ankohonana, fiarahamonina…). Fanapahan-kevitra politika ihany koa no hametraka fa: « ampiasaina isan-tsehatra ny teny malagasy ».
Ireo rehetra ireo tsy midika velively fa atao tsinontsinona ny teny vahiny. Fanapahan-kevitra mitaky fahasahiana politika hoenti-mampitia sy mampiasa ny teny malagasy ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: