Nanao tatitra ny vokatry ny asan’ny sampana mpiaro ny mpanao gazety eto Madagasikara ny ONG Ilontsera, tamin’ity herinandro ity. Fantatra, tamin’izany, fa mpanao gazety 9 no nanao fitarainana ho voahitsakitsaka ny zony amin’ny maha mpanao gazety azy, na niharan’ny herisetra na voampanga noho ny asany.
Ny 3 tamin’ireo no noraisina an-tanana ary nahazo fanohanana ara-tsaina sy ara-moraly. Ny iray nisitraka fanampiana ara-pitsarana avy amin’ny mpisolovava.
Efa nanomboka ny volana oktobra 2024 no napetraka teto amin’ny ONG Ilontsera ity sampandraharaha ity. Miandraikitra ny fanomezana torohevitra sy fiarovana maimaimpoana ho an’ny mpanao gazety izy io. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana mahakasika ny lalàna sy ara-pitsarana amin’ny alalan’ny mpisolovava, ary koa ny fanohanana ara-tsaina sy ara-moraly avy amin’ny psychologue….
Mialoha ny fandraisana an-tanana ny tranga nahazo ilay mpanao gazety, atao aloha ny fanadihadiana. Ifarimbonan’ ireo rafi-pikambanana mandrafitra ny sampana ny fanaovana izany. Ahitana ny Ilontsera, Internews, ny Holafitry ny mpanao gazety, ny mpisolovava ary ny psikaology.
Tatiana A