INDRAY MIJERY

Anisan’ny marefo manoloana ny fikirakirana ny internet sy ny herisetra mety mifandraika amin’izany ny ankizy ka tokony ho mailo hatrany ny ray aman-dreny. Misy fetran-taona hajaina vao tokony hanomboka hampiasa izany izy ireo ary ilaina ny fanaraha-mason’ny olon-dehibe.

Lafo ny vidin’ny voankazo eny an-tsena na ao anatin’ny fotoana mampitobaka aza izao satria ao anatin’ ny fotoana mahabetsaka ny orana. Ny faharatsian’ny lalana hitaterana ny vokatra hiparitaka no antony, hoy ny mpamongady. Tsy azo fantenana rahateo ny entana vita voatra anaty fitoerana rehefa alaina nefa betsaka ireo efa lo ka mamono antoka ny mpivarotra.

Mandritra ny roa andro, eny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny andiany faharoa amin’ny fampiofanana momba ny famehezana ny aroloza sy ny tandindony karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mpiara-miasa manatanteraka izany ny eo anivon’ ny BNGRC sy ny SBC Unicef. Miisa 100 ny tanora mandray anjara.

Eny amin’ireo Oniversite tsy miankina sy ny IFIRP indray no hanaovana ny fanentanana ny ady
amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. Tanterahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izany. Ny fitiliana irery ihany no hahafantarana na mitondra ny tsimokaretina na tsia ny olona iray. Fitiliana, fanentanana ary fizarana fimailo no hatao amin’izany.

Partager sur: