Malagasy mpilalao baolina kitra, efa mametraka ny lazany any Allemagne, i Voahariniaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Tapa-bolana teo izay no niarahany tamin’ny kliobany vaovao, Hertha Zehlendorf Berlin 03. Efa tompon-toerana sahady ny lehilahy, nandritra ireo fihaonana roa efa vita.
Nilalao nandritra ny fe-potoana 45 minitra izy raha nifanandrina tamin’ny Babelsberg 03, ny 31 janoary lasa teo. Niondrika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipan-dry Bolo tamin’izany. Ny 9 febroary teo kosa, nilalao nandritra ny 70 min, ity Malagasy milaravinahitra any ivelany ity, raha nifandona tamin’ny ZFC Meuselwitz. Nisaraka ady sahala 2 no ho 2 moa ny roa tonta tamin’izany.
Nisongadina tanteraka i Bolo tamin’ity fihaonana faharoa ity, izy no nanosika ny vodilaharan’ny ZFC Meuselwitz hanao fahadisoana tao anaty faritra tsy azo hivalozana ka nahazoan’ny Hertha 03, “penalty”. Ny alahady ho avy izao, hifampitana amin’ny ekipan’ny BSG Chemie Leipzig ny Hertha Zehlendorf 03. Mbola mitazona ny teniny ity Malagasy lohalaharana ity, fa vonona hatrany izy ny hiaro ny voninahi-pirenena ary maniry ny handrafitra ny ekipa nasionaly amin’ireo lalao hatao ny volana marsa. Raha ny rariny sy ny hitsiny, tokony ho ao anatin’ireo mpilalao tsara toerana ao amin’ny Barea i Bolo. Efa ampy lalao tsara izy, sady mifanintsana amin’ny fifaninanana matihanina.
Fitia Randria