Mandroso milamina

 

Mahazo vahana tato ho ato ny hala-boty etsy sy eroa. Amin’ny faritra sasany tonga amin’ny vaky trano, fandratrana na famonoana olona… Tsy fandriampahalemana tsy mahafa-bela. Nahoana loatra? Mby ao an-tsaina ho azy amin’izany ny hoe fahasahiranana, ny fidangan’ny vidim-piainana… Fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy fampandrosoana ho vanona, raha tsy misy fandriampahalemana. Lehibe sy maika ny fampanjakana ny fandriampahalemana, vaindohan-draharaha, tsy azo ihodivirana… Tompon’antoka voalohany ny fitondram-panjakana; eny, na eo aza ny hoe fifanomezan-tanana: fampitam-baovao, fandraisana andraikitra…
Tsy hisy koa anefa izay fandriampahalemana, raha tsy misy ny fampandrosoana. Misy antony ao matoa tonga amin’ny fanaovana hala-boty ny sasany. Tsia, tsy fanomezana rariny na rirany ny asa ratsy amin’izany, fa mila jerena izay tena fototry ny tsy mampisy fandriampahalemana maharitra sy azo antoka. Vitan’ny fampiharan-dalàna sy ny fampiasan-kery ve, ohatra, ny fampanjakana ny fandriampahalemana? Na ny firafitry sy firindran’ny soatoavina mbamin’ny fifampitondrana eo amin’ny fiarahamonina no efa tsy hita be ihany… Olona sy fiarahamonina toy inona no tian-kajoro eto amin’ny firenena?
Miara-dalana tsy afa-misaraka ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana: tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana, tsy misy fandriampahalemana raha tsy misy fampandrosoana. Mby aiza? Tsy ny tsy fisian’ny asan-jiolahy ihany tsinona ny hoe fandriampahalemana. Eo indrindra koa ny filaminana politika, ohatra, ny filaminana sosialy amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro, ny fitonian-tsaina tsy hitebiteby lava amin’izay hiseho na amin’ny vidim-piainana aza, ohatra… Mba mandroso milamina? Na milamina mandroso…

R. Nd.

Partager sur: