Anisan’ny zavamaniry tsy afa-misaraka amin’ny filana andavanandron’ ny Betsimisaraka ny volo na bararata. Misy karazany dimy izy ireny hatreto, raha ny fanadihadiana nataonay teny rehetra teny. Amin’ireo dimy karazany ireo, saika hita maniry ao amin’ny faritanin’ i Toamasina avokoa ny anakamaroany, indrindra any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ary Ambatosoa, mitohy hatrany amin’ny faritra Sava izany. Hita any amin’ny faritra afovoantany kosa ny karazana volo voalohany, fantatry ny maro amin’ ny hoe : Bararata na volokely. Matetika ampiasain’ ny olona amin’ny haran-jono na fintana. Ilain’ny isan-tokatrano ihany koa izy hambolena manodidina ny lakoro ka lasa fefy. Lava matsoraka kely ny volo na bararata, mahatratra hatramin’ny 2 metatra sy sasany ny halavany.
Ho an’ny Ntaolo Betsimisaraka, saika volo daholo ny akora ilaina amin’ny fanorenan-trano, rindrina, rapaka, tafo, fa kosa arakaraka ny karazana volo no hampiasana azy, hanaovana andrin-trano volo be gasy sy volo gasy mavo ary ny volo be mavo. Ity farany izay ngeza rahateo raha oharina amin’ireo karazam-bolo misy voaresaka eto. Atao rindrina kosa ny volon-tsoraka ary ampiasaina amin’ny rapaka ny volobe mavo, noho izy geza ka misy velarana, mbola ity farany ihany, azo ampiasaina atao tafo, vakina roa dia atao mifampitaingina tsy hidiran-drano ny trano. Raha izay ny amin’ny trano fonenana
dia anisan’ny nampiasain’ny Ntaolo tamina fotodrafitrasa maro ny volo, tahaka ny tetezana, zahatra, tohatra entina hitangosana vokatra letisia sy jirofo, teo koa ny garaba ity farany izay miasa mafy amin’ ny vanim-potoana fiotazana vokatra letisia.
Fampiasa amin’ny akora rehetra
Tsy fanorenana trano fonenana ihany no nampiasan’ ny Ntalo ireo karazan-javamaniry nomen-janahary azy fa saika ny fampitaovana dia azo nampiasana volo avokoa. Nialoha ny nisian’ny siny na fitaovana fantsakana rano dia nampiasa lagnanana ny Ntaolo, mety hanaovana an’ izany avokoa ireo karazam-bolo efatra lehibe akoatra iry voalohany, fampiasa amina fitaovana fisotroana rano izay nantsoina hoe “Paba” sy mety mahasolo sotro. Teo aloha ka hatramin’ izao dia anisan’ny mahavonjy ny tantsaha raha vao te hisotro rano eny an-tsaha ny volo, mihazona rano ao anatiny izy ireny, raha mangetaheta dia manapaka volo dia efa afaka misotro rano, izay no nahatonga ny oha-pitenenan’ny Ntaolo ka ampiasaina aty aoriana hoe “Rano antongom-bolo mifankarikitra fa tsy mihaona”.
Miakatra ny haavo lentan’ny volo
Tsy azo tsinontsinoavina ny volo, tsy afa-misaraka amin’ ny filana andavanandron’ny Betsimisaraka izy io ary efa tsy mijanona eo fa misandrahaka amin’ny maha Malagasy iray manontolo mihitsy, efa hita ho miakatra rahateo ny haavo lentan’ny fampiasan’ny olombelona azy.
Efa maro ireo orinasa mamboly volobe
Amin’ny akapobeny, efa misy orinasa sasantsasany mamboly sy manao “pepiniere” zanaka volobe mavo. Ho an’ity farany, ngeza izy ary mahatratra 25 ka hatramin’ny 30 santimetatra ny savaivony, raha hatramin’ny 50 metatra kosa ny halavany, azo hasolo hazo hanaovana hazo fisaka ny volobe ka tahaka ny hazo fisaka rehetra hampiasaina amin’izay fanaka tia hanaovana azy. Tahaka ny hita manamorona ny lalam-pirenena faharoa, efa lasa fiveloman’ny tantsaha maro ny mivarotra volobe mavo. Misy fiara be na kamiao mitatitra miakatra any an-drenivohitra rahateo izany, Tato anatin’ny roa taona farany, efa saika mahazatra ny mpikarakara lanonam-panjakana ny tsy mampiasa vera sy siny ho fitaovana fisotroana sy fametrahana ranon-javatra vita vahiny fa mampiasa “paba” sy “Lagnanana” vita amin’ny volo, izay no ilazana fa efa miakatra ny haavolentan’ny filan’ny olombelona ny volo ary tsy afa-misaraka amin’ny filana andavanandron’ny Malagasy ny volo.
Ankilany, mahavelona sy mamelona tokantrano maro ny asa sy fikirakirana momba ny volo, nandritra ny fanadihadiana natao, nilaza i Velotody Stephan, mpamaky volo etsy Ambohijafy Avaratra, fa “ny 1 metatra toradroa amin’ny rindrina volo dia amidiny 3 500 ariary, afaka mandray komandy izay ilain’ny mpanjifa izy ary mahavita 50 metatra toradroa isan’ andro”. “Miantso namana aho raha betsaka ny komandy”, hoy izy namarana.
Nanatontosa : Sajo