“Firaisana voalohany”, iarahana amin-dRalanto, Mami Bastah ary Ankoay. Ao amin’ny Valahara Café Antsirabe no hanatontosana ity fiarahana miavaka amin’ ny rehetra ity. Samy hitondra ny mozikany i Mamy Bastah sy Ralanto, izay vazo mifototra amin’ny tendry gitara sy ny vokatry ny tany avokoa. Hohaingoin’i Ankoay amin’ ireo tononkalo mafonja tonony, miresaka ny fitiavana sy ny tontolony akaiky sy lavitra izany.
Hiaraka an-tsehatra ry Ikala Vazo sy i Bekoto Mahaleo. Eny amin’ny Espace Mbatosoa Talatamaty ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hiram-pitiavana, mazava loatra, fa amina lohahevitra maromaro no hifandimby eo. Hanao hira hafa ankoatra ny azy ry Ikala Vazo. Iarahan’i Popoly mamerina amin’i Bekoto kosa ireo hiram-pitiavana nentiny tao anatin’ny tarika Mahaleo.
« Tsara fatotra ». Hiran’ny tarika Zandry Gasy vaovao, izay vao navoaka rakitsary omaly hariva izy ity. Mazava loatra fa nampifanandrifiana amin’ny Fetin’ny mpifankatia mihitsy, no hanehoana ihany koa ny fivelaran’ny tarika amin’ny mozika ataony. Hira noforonin’i Mbola Talenta. Ito farany izay hisehatra eny amin’ny Espace Soafeeling Ambohimangakely, anio, miaraka amin’i Inah sy ireo mpitendriny.
Mbola tsy nalazo ny ravina nihinanana, hoy ny Malagasy. Mbola ny reny Malagasy no mitaiza ny zaza malagasy, kanefa, tsy mahafantatra ny momba azy akory ilay taranaka. Misy fanabeazana tsy mirindra ao. Misy teny tsy miampita. Resaka tsy mifankahazo? Fanarenana goavana avy amin’ny reny io. Mila mipetraka sy manaja ilay hasina lehibe maha “reny” azy izy fa tsy misandoka ho “maman”.