Teny sadasada: Misy « Reny » mpamahan-dalitra

Hanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » i Madagasikara ny 21 febroary izao. Tsy afa-miala amin’ny nahatonga ny Malagasy hanao tsinontsinona sy tsy manome hasina ny teny malagasy tahaka izao ny reny. Nahoana moa no ho tia ny teniny ny zanaka malagasy? Vao any am-bohoka dia efa hamolavolana anaram-bahiny handraisana azy ety an-tany!
Rehefa teraka indray, iniana tsy iresahana amin’ny teny malagasy mba hitovy amin’ny « vazaha », hono… Rehefa am-pidirina hianatra, hitadiavana ireny sekoly mampianatra amin’ny fiteny vahiny ireny mba ho tonga « manam-pahaizana », hono. Manomboka mibahan-toerana eto Madagasikara, indrindra fa amin’ny reny malagasy io kisarintsarim-panabeazana io, ankehitriny.
Ireo « Reny » mpamahan-dalitra ny taranany no anisan’ny nahatonga ny Malagasy hiteny sadasada sy vandambandana. Tsy afa-bela amin’ny fanilikilian’ny zaza malagasy ny teniny, ny reny, noho ireo fanabeazana nomeny ny zanany. Manome fanabeazana tsy sahaza ny zaza malagasy ny reny sasany. Amin’ny lafiny iray, mahavariana ny tsy ahatsapan’izy ireo izany. Amin’ny lafiny hafa, tsy mahagaga satria mbola tena mandaitra hatramin’izao ny fanabeazana nomen’ny « Reny malala ».
Nahay nampianatra sy nitaiza ry zareo ka na efa tsy izy mivantana intsony aza no mikolokolo ireto « zanany », mbola tena toavin-teny fatratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: