Ny 21 febroary ho avy izao, etsy Mahamasina, no hanomboka ny fifanintsanana basikety, hahazoana ny tapakila hiatrehina ny « Afrobasket 2025 ». Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray omaly, avy eo anivon’ ny Federasiona malagasy (FMBB), andrasana rahampitso ny fahatongavan-dRandriamananjara Johan, raha toa ka amin’ny talata any vao ho tonga eto an-toerana, i Mathias M’Madi.
Tsara marihina fa miisa enina ireo mpilaravinahitra nantsoina handrafitra ny Ankoay. Ny efatra no efa tonga eto an-tanindrazana sady efa niatrika fanazarantena. Anisan’izany ry Rija Lahontan, Razanamahenina Kiady, i Jerry Rabibisoa, Raharimanantoanina Sitraka. Ampahafantarina, fa hifandona amin’i Egypte sy i Côte d’Ivoire ary i Centrafrique, ny ekipam-pirenena malagasy mandritra ity fifaninanana ity.
Ho fiatrehana ity lalao goavana ity, nisy ny fihaonana ara-pirahalahiana nataon’ny Ankoay, omaly, teny Vontovorona. Ny klioban’ny Zandary, GNBC, no nifandona tamin’izy ireo. Tsiahivina fa efa tamin’ny 2 febroary teo no nanao fampivondronana eny Vontovorona ny ekipa nasionaly malagasy.
F.R