Ben’ny Tanàna Ampitatafika: “Tena ilaina ny vola fanampiana ho an’ny kaominina”

Tena ilaina ho an’ny kaominina ny vola fanampiana. Anisan’izany, ny lafiny karaman’ny mpiasa.

«Mahavita sy tena ilaina ny vola fa­nampiana ho an’ ny kaominina rehetra, izay nangatahin’ireo ben’ny Tanà­na ho 50 000 000 ariary», hoy Ramparaoelina Rado, ben’ny Tanàna voafidy indray tao amin’ny kaominina Ampitata­fika, nandritra ny fametrahana samboady tetsy Bemasoan­dro Itaosy, ny alarobia lasa teo. Mahavita ny roa volana amin’ny karaman’ny mpiasa izany, mba 10 volana sisa no atrehina, raha ny nambarany. Nambarany fa tsy maintsy miezaka ny kaominina, ary mihantahanta amin’ny fanjakana mba hifanome tanana amin’izy ireo amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Ankoatra izay, « mametra ny karama farany ambany indrindra ho 400 000 ariary ny kaominina Ampitatafika amin’izao fotoana izao”, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy maintsy miezaka ny kaominina na dia tsy manana fahefana be hanao ny « impression fiscale » aza. Somary malaina ny handoa hetra ny vahoaka. Ezaka ny hanomezana fahafaham-po na ny vahoaka na ny mpiasan’ny kaominina. Tsy maintsy ho tanterahina zato isan-jato ny fampanantenana ary tsy maintsy hitady vahaolana mahakasika izany sy mahafoy fotoana be ihany koa ny kaominina. Ho azy ireo manokana, efa handeha tsy ho ela ny fampiasana ireo angovo maitso (énergie verte) sy ny fitaovam-pitaterana elektrika eny anivon’ny kaominina. Handeha ny herinandro izao ny fividianana moto elektrika. Hitady mpiara-miombon’antoka indray ahafahana mividy fiara elektrika. “Tsy maintsy hitady vahaolana sao ho lasa vesatra ho an’ny kaominina indray ny solika”, hoy hatrany izy.

Mino

Partager sur: