Fampandrosoana : Sarotra ny fidiran’ny tanora eo amin’ny tsenan’ny asa

Ambany ny taham-pahafahan’ny tanora malagasy miditra eo amin’ny tsenan’ny asa na betsaka aza ireo nandrato fianarana noho ireo zokiny teo aloha. 42% ny tahan’ny tanora tsy an’asa eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 35 taona, raha ny fanadihadian’ny « Afro­barometer Round 10 » eto Madagasikara. Ambony io taha io raha oharina tamin’ireo zoky teo aloha, izay ambanin’ny 29% monja. «Tsy mirafitra ny tsenan’ny asa, tsy mitovy ny fiofanana narahina sy ny traikefa takin’ny mpampiasa.  Noho izany, tsy misy ny paikady mahomby hampiroboroboana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny matihanina », hoy ny mpiara-miombon’antoka nasionalin’ny Afro­baromètre eto Mada­gasikara, Rakotondraibe Léa, ny alakamisy teo. Laharam-pahamehan’ny ankabeazan’ny tanora ny famoronana asa, ny fanabeazana sy ny fiofanana araka asa. Na izany, nilaza ho afapo amin’ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny famoronana asa ny 24% ny Malagasy. Tarehi­marika mifanohitra amin’ny valin-tenin’ireo 51% na­non­taniana ny fahafampony mom­ba ny sehatry ny fanabeazana.
Miralenta
Mbola manjaka ny resaka miralenta na tsy mivantana aza, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny asa. Tokony hanana zo amin’ny asa bebe kokoa amin’ny fanabeazana sy ny asa ny lehilahy noho ny vehivavy, hoy ireo natao fanadihadiana. 45% ny tahan’ny vehivavy tafiditra eny amin’ny ambaratonga faharoa sy mbola manohy fianarana, ny lehilahy izay 50%. 23% ihany koa ny vehivavy mahita asa misy karama raha oharina amin’ny lehilahy izay 30%. Mahatonga izany ny fitaizana zaza, tsy fahampian’ny fiofanana. Mazàna, betsaka ihany koa ny lehilahy voaray miasa noho ny vehivavy.

Henintsoa Hani

Partager sur: