“Tsy anjaran’ny Ceni irery ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fisoratana anarana eny anivon’ny fokontany ao anatin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izao”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël. Teny Alarobia, omaly, manoloana ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) anio 15 febroary no nanambarany izany. Manana anjara amin’izay fanentanana ny olom-pirenen hisoratra anarana amin’ny Rale izay koa ny mpanao politika sy ny fiarahamonina sivily. Tsy hoe akaiky fifidianana vao taitaitra sy hitaona ny olona amin’izany izy ireo, fa mangina sy tsy mihetsika rehefa tsy misy fifidianana. Diso be izay fomba fijery izay.
“Amin’izao isika miteny izao, lasa variana any amin’ny adilahy politia isika”, hoy izy. Ny olom-pirenena tokony hisitraka ny zony hisoratra ao anaty lisi-pifidianana tsy dia raharahina, fa rehefa amin’ny fotoana ilana ny vahoaka vao taitaitra avokoa ny rehetra. Izay zavatra izay no anentanan’ny eo anivon’ny Ceni hatrany na ny fiarahamonina sivily na ny ankolafin-kery isan-karazany, indrindra ny mpanao politika: fotoana izao, mila entanina hatrany ny olom-pirenena hisoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Tsy tokony hiandry hatrany ny lehiben’ny fokontany ny amin’izany. Tsiahivina fa any amin’ny foibe informatika eny anivon’ny distrika (Cid) ny fandraketana an-tsoratra aorian’ny 15 febroary hatramin’ny 28 febroary amin’ny dingana faharoa amin’ny Rale.
R. Nd.