Fandaharanasa Sanoi: Nahomby ny tetikasa Mifampibaby

Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Sanoi ny fanatsarana ny famokarana sy ny manodidina ny sakafo. Tanjona ny hisian’ny fiovam-pihetsika, toy ny nataon’ny tetikasa Mifampibaby.

Niasa tany amin’ny faritra telo (Ana­lamanga, Bongolava, Itasy) ny tetikasa Mi­fa­mpibaby, tohanan’ny Fan­daharanasa fanjarian-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Sanoi). Nilaza Ra­soa­miaramanana Reine, mpa­ndrindra ny tetikasa ao amin’ny fikambanana Action contre la faim (ACF), fa : « anisan’ny tena nifantohan’ny Mifam­pibaby ny fanovam-pihetsika manodidina ny sakafo. Singa­nina amin’izany ny faman­tarana ny karazana sakafo tokony hohanina, ny homena ny zaza. Natsangana ny vehivavy mpitarika, nomena fiofanana mba hanapariaka izany ho an’ny hafa indray avy eo ».
Nisy koa ny fanofanana ny mpamokatra mba hanatsarana ny kalitao sady hampiakarana ny vokatra. Nomarihin-dRasoamiaramanana Reine, fa nitombo ny vokatra satria tsy nampiasa akora simika tamin’ny famokarana, fa zezika sy fanafody voajanahary daholo.
Nomena fitaovam-pamokarana ny tantsaha. Nampa­hafantarina azy ireo ny fomba fanodinam-bokatra. Toy ny tany Bongolava, ohatra, very fotsiny ny manga rehefa vokatra satria tsy lany. Nampi­anarina ny tantsaha ny hanamainana azy ireny, ka azo atao sakafo maivana ho an’ny ankizy mpianatra. Na koa totoina, atao anaty fonosana. Nampiofanina koa izy ireo hanodina ny voanjo ho lasa menaka. Miisa 10 ny karazan-tsakafo nampahafantarina. Izany hoe, ovaovaina ny fomba fahandro, mba tsy hankaleo.

Mpisitraka 51 000

Raha ny antontanisa, manodidina ny 51 000 ny mpisitrika niantefan’ny tetikasa Mifampibaby.
Naharitra 5 taona (2021-2025) ny fandaharanasa Sanoi. Nisitraka izany ny firenena efatra (Madagasikara, Kaomoro, Seychelles, Mao­risy) mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Mitentina 16 tapitrisa euros ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE). Natao, omaly, teto Antananarivo, ny fitanisana ny zava-bita tsara.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: