FANTINA sy FINTINA

 Nilaza ny hoavy hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny SADC, hatao eto Madagasikara, ny mpanjakan’i Eswatini, Mswati III. Hotanterahina ny aogositra izao ny fivoriana. Nivoitra izany tamin’ny fihaonany tamin’ny filoha Rajoelina Andry, tany Dubai. Niombon-kevitra ny roa tonta ny hanamafisana ny fiaraha-miasa.
 “Mpitarika iray, vina iray, kaontinanta iray”. Teny faneva nandresena lahatra ireo firenena afrikanina hifidy an-Randriamandrato Richard James ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA) izany. Tsiahi­vina fa hotanterahina anio ny fifidianana eo amin’izany toerana izany. Efa nigadona any Addis Abeba, omaly, ny filoha Rajoelina Andry.
 Nampiomana ny fandaharana Miara-manonja fa hamboly hazo. “Hatao eny Imerinkasinina, toerana efa nanaovana izany teo aloha ny hetsika”, hoy ny depiote “Del kely”, omaly. Tsy mbola namaritra daty anefa izy ireo ary natsidiny sahady fa tsy maintsy hotanterahina amin’ity volana febroary ity izany.
 Laharam-pahamehan’ny tonia mpampanoa lalàna, Bernako Minerva, vao napetraka any Ihosy, ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny heloka mahakasika ny mamoafady, toy ny fanolanana, ny halatra omby, ny fanimbana ny tontolo iainana, ny doro tanety, ny vono olona. “Manan-jo harovana ny tsirairay, ary zon’ny tsirairay ny hilamin-tsaina”, hoy izy.
Partager sur: