Fitantanana ny CUA: Hijoro ho arofanina Ravololomanana Lalatiana

Nivoaka amin’ny fahan­gi­nany ny mpanolotsain’ny Ta­nàna, Ravalolomanana Lalatiana, manoloana ny fitantanana ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA). Nambarany fa vonona hatrany ny tenany hijoro sy hitondra ny traikefany eto amin’ny tanàna. “Hipetraka ho ray aman-dreny sy hampita ny fahaiza-manao izahay. Efa nandalo fepotoam-piasana telo ka tsy mety ny mandray baiko fotsiny na koa hanohitra bontolo”, hoy izy, tetsy Analakely, omaly. Nante­ri­ny fa na tokana aza izy, hiezaka hitondra ny traikefany sy ha­nompo ny mponina ary ny tanàna ahatongavana amin’ny “Anta­nanarivo tsy maintsy mandroso”… Notani­sainy fa niady amin’ny tsy fetezana ta­min’ny fitantanana ny Tanà­na, tamin’ireo mpitantana nifandimby ny tenany. Tanàna iaraha-manana ka aleo hapetraka ny adihevitra hanasoavana azy fa tsy ho mpanangan-tanana fotsiny, araka ny nambarany. Notsia­hi­viny fa anisan’ny niady fo izy tamin’ny famerenana ny tanin’ny CUA sy ny ady amin’ny kolikoly, niarahany tamin’ny ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsitohaina Naina. No­diovina ny fitantanana samihafa sy ireo fitaleavana… Na­ha­gaga azy anefa izao fa nofoanana ny vaomieran’ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny CUA. Mavesatra koa anefa ny rafitra amin’izao fotoana izao. “Name­trahana ireo mpano­hana fotsiny ireo toerana sasany ao fa tsy tena ilaina…”,
hoy izy. No­tsindriny fa laviny rehefa hevitra rehetra tsy ma­hasoa ny CUA. Tsy mety koa anefa ny fanaovana politika mivadibadika…

Synèse R.

Partager sur: