Kianja Masoandro : Handray seho haisorakanto

“Ikaloy fitiavana ny tenindrazantsika”. Io ny lohatenin’ny seho haisorakanto, izay hotontosaina ao amin’ny Kianja Ma­soandro Anatirova, manomboka amin’ny 10 ora sy sasany. Hifarimbona hanatanteraka izany i Rima sy Tsiahy Andriani­na, mpanoratra sy poeta, samy manana ny hanitra ho azy. “Fifanorohana tsy nahy, iarahako amin’i Tsiahy Andrianina”, hoy ny famaritan’i Rima azy. Fanandratana sy fanehoam-pitia ny teny malagasy ny ao ambadik’izay. Asa soratra notsongaina manokana no entin’ireto poeta ireto an-tsehatra. Hisy dinidinika sy fifampizarana manodidina izany koa.
Sambany ny Kianja Masoandro no handray seho haisorakanto toa izao. Ny fanehoana ny tantaram-pirenena mirakitra amin’ny tantaran’Anatirova mantsy no nanombohana ny seho tao. Nisy koa ny seho Noely tamin’ny volana desambra, izay nanomboka ny fisokafana amin’ny karazan-kanto hafa. Satria lanonana atoandro, entanina ireo hoavy mba hitondra satroka sy fiarovana amin’ny masoandro. Marihina hatrany fa tsy azo hitondrana sakafo avy aty ivelany eny Anatirova.

Zo ny Aina

Partager sur: