Lalao sakana “XXL Top 12”: Famaranana kely ny an’ny Tam sy ny TFMA

Hitora-jofo ny Kianja Makis Andohatapenaka, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo izay ekipa tafita amin’ny lalao sakana “XXL Top 12”. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny donan’ny Tam Anosibe sy ny TFMA (Boaikely manohitra).

Hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis An­doha­tapenaka, ny lalao sakana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na “XXL Top 12”. Ho fantatra eo ireo ekipa roa hiatrika ny manasa-dalana, amin’izany. Goavana avokoa ny fihaonana, saingy ny tena mahaliana ny maro dia ny fifanandrinan’ny samy kartie, hifandonan’ny Tam Anosibe sy ny TFMA Ankasina (Boai­kely manohitra). Ho toy ny famaranana kely mihitsy ny fihaonan’ny roa tonta amin’ity. Fileovana samy manana ny maha izy azy ary diso mifankahay tsara ry zalahy.
Tsy vao izao akory no nidona ny andaniny sy ny ankilany fa efa hatramin’izany, saingy raha ny fihaonana farany teo amin’izy ireo, hanala vela ry zalahy Ankasina. Samy manana ny paikadiny izy ireo. Milalao ao anaty “avant” ny Tam, raha miainga amin’ny tolotolotra haingam-pandeha kosa ny Boaikely manohitra. Samy manana mpilalao tanora sy matanjaka ka ho resy izay ratsy fiomanana sy tsy mitandrina eo amin’ny fahadisoana kely madinidinika.
Hafana vay ihany koa ny an’ny TFA Anatihazo (Pilo­kely) sy ny Uscar (Kao­minina Antananarivo Reni­vohitra). Raha ny lalao farany nifanandrinan’ny roa tonta, nivoaka ho mpandresy ny kaominina. Eto izany no hanao valinady ry zareo Anatihazo.
Mialoha ireo fihaonana ireo ny lalao sakana, hijanonana ao amin’ny “Top 12”. Hiady ny tapakila amin’izany ny UASC Cheminots sy ny 3FAI Ambalavao Isotry.
Hanokatra ny fihaonana rehetra amin’ny alahady ny lalao famaranana D2, vehivavy, hikatrohan’ny UASC Cheminots sy ny FTVL (Lalamaty). Tsiahivina fa efa samy tafita ao amin’ny D1 ny roa tonta amin’ny taom-pilalaovana manaraka.

Tompondaka

Partager sur: