Mifankatia

 

Nafana ny zoma manifika, omaly. Nifanojo rahateo tamin’ny fankalazana ny andron’ny mpifankatia izany. Feno ny trano fisakafoana, maro olona ny trano fandraisam-bahiny. Nandeha ny tsena ho an’ny mpivarotra fanomezana. Tena samy nanao izay mety ny tsirairay, arakaraka ny enti-manana. Raha natao jery maimaika dia hoe: tena mifankatia ilay Malagasy. Nanao izay tratry ny heriny nifampifalifaly. Na manana na tsia, samy nitondra ny olontiany tamin’izay nahametimety azy. Ny nampametra-panontaniana fotsiny dia ny nahita ireo zatovo, tena mbola vao erotrerony, mitositosy sy mifanorokoroka imasom-bahoaka. Manambaka na misora-tena toa mpivady. Tena tsy misy henatra intsony, tsy kivarivary toy ny kilalaon’ny ankizy fahagola. Tena izy ny azy ireo, miseho ho olombe. Tsy azo anaovana fanamarihana na fananarana. Vavabe sy avonavona no azon’izay miteniteny azy ireo. Ekena fa mandroso sy mihazakazaka be ny fomba fisainan’ny zaza mpiala sakana. Mivoatra be ny fanabeazana ara-pananahana fa mila mitandrina ny ray aman-dreny. Maro ny very any anatin’ny fanambakana ataon’ny ankizy azy ireo. Tena hoe ny noheverina ho ampy traikefa no ambakain’ny zatovo. Mila fandraisana andraikitra goavana be. Tsara ny mifankatia saingy mila tari-dalana sy fanabeazana matotra ireo zanatsika. Ny tanora no antoky ny hoavy, mila fanaraha-maso izy ireo .

r.r

Partager sur: