Natao tao anaty ranona kafe: Saron’ny zandary ireo rongony 10 fonosana

Saron’ny zandary miasa eo anivon’ny Poste Anosizato, omaly, ireo rongony 10 fonosana. Hita tao amin’ny tranona ramatoa iray monina etsy amin’ny Dalle, fokontany An­kazotoho, kaominina Ano­sizato Andrefana. Tsara afina tao anaty vilany takoboka mpitahiry hafanana ireo zava-mahadomelina ireo. Heverina ho ranon-kafe mafana hay ravina maina mpitondra ambiroa ho any amin’ny avo. Izay manapoizina tanora sy ireo lazondazony ary mitarika amin’ny fanaovan-dratsy sy herisetra samihafa, raha ny tatitra avy amin’ny zandarimaria miasa eny an-toerana. Anko­atra izay, nahitana zavamaniry, fototra efatra, misy rongony ihany koa tao an-tranon’io ramatoa io. Nampaniriana toy ny zana-kazo izy ireo, ary saika hahodina ho lasa vokatra, raha ny tatitra voaray hatrany. Voatery nongotana sy nosimbaina avokoa moa izy rehetra ireo.

Karohina ilay ramatoakely
Efa nahafantatra ny fisiana ramatoa iray mivarotra rongony eny an-toerana ny zandary miasa eny Anosizato. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny Chef de Poste sy ny ekipany roa lahy, omaly. Rehefa nahita ireo zandary ity ramatoakely voalaza ity, nitsoaka sy nanidy trano avy hatrany. Nangataka alalana avy amin’ny fitsarana izy ireo mba hahafahana misava ilay trano taorian’izay. Niantso ny solontenam-panjakana eny an-toerana sy ny vavolombelona ary ny tompon-trano, nanatrika izany. Vokany, tratra tao an-tranony ireo rongony 10 fonosana, tsara afina anaty vilany takoboka mpitahiry hafanana. Natao miendrika ranona kafe.
Mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra io ramatoakely io hatramin’izao. Manao ny fanadihadiana ny zandary eo ambany fitarihan’ny Kaomandin’ny Tobim-paritry ny zandarimaria eny Fe­noarivo. Manohy ny fikarohana kosa ny zandary miasa eny Anosizato.

Mino

Partager sur: