Oniversiten’Antananarivo: Havaozina ny laboratoara fianarana teny japoney

Natao sonia teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, tamin’ity herinandro ity, ny fanomezana fanampiana mitentina 66 715 euros (325 tapitrisa Ar) hanavaozana ny laboratoara fianarana teny japoney. Tafiditra amin’ny fandaharanasa japoney, tohana mifototra amin’ny fiahiana ny maha olona, ny tetikasa. Hatsaraina ny efitrano fianarana sy ny fitaovana ampiasaina ahafahana mampivelatra ny fomba fifehezana ny teny japoney ka handrisika ny tanora hianatra ity tenim-pirenena ity, araka ny fanazavana.
Nosokafana ny taona 2016 ny ivontoerana fianarana teny japoney eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ka efa maro ny zavatra simba mila havaozina ao anatin’ny fotodrafitrasa. Izay no nahatonga ny fanjakana japoney hisahana ny fanavaozana sy ny fividianana ireo fitaovana hanatsarana ny fianarana. Nametraha­na kojakoja manamora ny fihainoana ny fampianarana. Mano­hana ny fampiroboroboana ny lafiny kolontsaina hatrany ny japoney eto Madaga­sikara hanamafy ny fifamatorana eo amin’ny firenena roa tonta. Ny masoivohon’i Japon eto amintsika, i Abe Koji, sy ny filohan’ny Oni­versiten’Antananarivo, Ravelomanana Mamy Raoul, no nanao sonia ny antontan-taratasy mirakitra ny fiaraha-miasa.

Vonjy

Partager sur: