Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Maro ny fihaonana handeha amin’io fotoana io, saingy ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny Avenir Ste Anne sy ny CFFA Andoharanofotsy. Hatao etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus, By-pass izany, rahampitso.
Nahemotra amin’ny volana marsa indray ny fifaninanana Badminton, natao hanokafana ny taom-pilalaovana 2025, araka ny vaovao nampitain’ny avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Badminton. Tsiahivina fa tokony ho notontosaina tetsy Mahamasina, tamin’ity volana febroary ity, izany.
Misaona ny tontolon’ny baolina kitra any Mahajanga, amin’izao fotoana izao. Nodimandry, afakomaly, i Robinson Jean na i Golibe, izay lehiben’ny seksiona ao Mahajanga 1 teo aloha. Efa mpitsara iraisam-pirenena izy, ary efa filohan’ny kaomisionina mpitsara CRA tao Boeny ihany koa. Ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.
Mpilalao mianadahy no hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny sokajy zandriny U14, hatao any Kenya, ny 19 hatramin’ny 23 febroary ho avy izao. I Matei Eliana, vehivavy mpilalao sy i Ny Avo, lehilahy mpanao tenisy, no misolo tena an’i Madagasikara amin’izany.