“Amour’Rire” 3, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Rahampitso alahady 16 febroary ilay fotoana nomen’ireo mpanao hatsikana: i Francis Turbo, Honorat, Riri sy Aldini, Rajao ary i Raytra Belawick. Samy hanao ny azy, fa maro koa ny iarahana ao. Hatsikana amin’ny endriny rehetra mihitsy, ahitana ny fisehatra tranainy, ny stand up, ny vazovazy, sns, izany, saingy anatin’ny lohahevitra ny fitiavana sy ny tontolony.
Tontolon’ny jazz. Raikitra ny « Mini concert » hotanterahin’ny Jazz Club CGM, rahampitso manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fotoana hilalaovan’izy ireo ny sanganasa voaforon’ny tsirairay na ireo noforonina teo anivon’ity sehatra iray lehibe ivondronan’ny liana sy mpitia ary mpitendry jazz ity. Zava-dehibe ho an’ny Jazz Club CGM ny fifampizarana eo amin’ny tsirairay. Hitana ampaham-potoana rahampitso rahateo ny fifanakalozana.
« Play the change », atrikasa hiarahana amin’i Joro Rakotozafiarison. Hotanterahina ao amin’ny efitrano fanaovana famerenana CGM Analakely, ny alatsinainy 17 febroary izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hiompana amin’ny « improvisation », asa famoronana, ny famoahana sy fahaiza-mamoaka ny tian’ ny mozika na feon-javamaneno hampitaina, sns, eo amin’ny tontolon’ny jazz, ny fihaonana aminy.
Hisokatra, anio, eny amin’ny foibe fampianarana Valiha Académie Andravoahangy Ambony ny fihaonana eo amin’ireo mpampianatra valiha eto an-dRenivohitra. Fifanakalozana sy fifampizarana traikefa eo amin’ny tontolon’ny fampitam-pahalalana no hotanterahina amin’izany.