Teny am-panetsana : Vehivavy bevohoka, maty nilatsaham-baratra

Maty nilatsaham-baratra teny am-panetsana maraina, ny vehivavy iray mitondra vohoka omaly tany Ambohidava Ambatondrazaka. Nanao ny asa aman-draharaha mahazatra azy izy no nitranga tampoka ny loza.

Vehivavy mitondra vohoka dimy volana no maty nilatsaham-potaka tany an-tsaha, omaly maraina tokony ho tamin’ny 3 ora sy 45 mn tany ho any. Tao amin’ny Fokontany sy kaominina Ambohidava, distri­kan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro ity tranga ity. Nanetsa teny an-tanimbary io ramatoa io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Avy ary tsy niato ny orana tany an-toerana, nirefotra tampoka ny varatra ka niantefa tamin’io vehivavy io. Vokany, maty tsy tra-drano izy niaraka taminy zaza tao an-kibony. Nahita ny zava-misy ny mponina ka niantso ny tomponandraikitra. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana avy hatrany ny zandary miasa any an-toerana sy ny ben’ny Tanàna vao voafidy ary ny mpitsabo.

Ilaina fitandremana ho an’ny rehetra
Anisan’ny fotoana mampasiaka varatra amin’izao fotoam-pahavaratra izao, ilaina ny fahamailoana hatrany eo amin’ny olona. « Masiaka ny varatra rehefa avy tahaka izao ny orana, ka ilaina ihany ny mitandrina ho an’ny rehetra”, hoy ny ben’ny Tanà­nan’Ambohidava, Rafidinja­nahary Onintsoa raha nantsoina tamin’ny finday. Nate­rina any an-tranony sy nomena ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Alevina any Am­boasary, any amin’ny tany niaviany ny razana, raha ny fanazavana voaray.

Mino

Partager sur: