Miditra amin’ny fivoriana faharoa ny tetikasa “Andriry Milamy” tamin’ity herinandro ity. Fanamafisana ireo paikady hisian’ny fandriampahalemana maharitra amin’ny faritra Anôsy, Androy, Ihorombe ary Atsimo Atsinanana no votoatin’ny fivoriana faharoa natao tao Tolagnaro.
Efa nanomboka ny volana jona 2024 ny tetikasa, maharitra 3 taona, araka ny famatsiam-bolan’ny Fond de consolidation de la paix, amin’ny alalan’ny Pnud sy OIM.
Tanjona ny hametraka fandriampahalemana iarahan’ ny rehetra manaiky amin’ny alalan’ny fanambarana ny paikady iarahana sy ny fijerena ny maha olona, ny fiarenana haingana ary ny fampandrosoana anaty fandriampahalemana.
“Zava-dehibe ho anay aty amin’ny faritra anaovana ny tetikasa ny hisian’ny fandriampahalemana maharitra amin’ny alalan’ny tetikasa maro”, hoy ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakotovelomanantsoa Voahary. Anisan’izany ny dinika eny amin’ny fiarahamonina hampirindra ny fifampitondrana. Eo koa ny firesahana sy fandresen-dahatra ireo dahalo niova fo izay mila tohana matanjaka mba hiverenan’ny fitokisan’ny fiarahamonina aminy sy hahafahany manao asa ara-dalàna hamelomany ny ankohonany.
“Manaporofo ny fanaovan’ny fanjakana ho laharam-pahamehana ny fandriampahalemana ny fisian’ity tetikasa ity. rehefa milamina ny tany, mora ny fampandrosoana”, hoy hatrany ny governoran’Anôsy.
Tatiana A