TSELATRA

Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary, izay niditra antsokosoko tao amin’ny EPP Analamalotra, Toamasina, omaly tamin’ny 09 ora 30 minitra maraina. Natosiny moramora hivoaka ilay moto mipetraka eo an-davarangana, nihevitra izy fa tsy hisy hahita. Nisy mpianatra nahita anefa izy, ary niantso olona hisambotra azy. Tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny fokontany sy ny zandary. Efa nentina any Ambalamanasy kosa ilay mpangalatra.
Rava indray ny tambajotran’ny mpangalatra voamaso sy taolam-paty. Tratra nandritra ny vela-pandriky ny zandary ireo mpangalatra voamaso, tamin’ity herinandro ity. Vokany, jiolahy iray maty voatifitra, 2 hafa azo niaraka tamin’ny taolam-paty miisa 779 sy voamaso halatra 24 isa. Namany hafa tafaporitsaka ary mbola karohina. Efa nanomboka ny faran’ny taona 2024 ny Borigady Manambondro no nikaroka vaovao handravana io tambajotra io ka izao rava izao ihany.
Mpangalatra akoho tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, tany Maharefo Arivonimamo, omaly tamin’ny 02 ora teo. Lehilahy iray tokony ho 35 taona, tratran’ny andrimasom-pokonolona nangalatra akoho. Tratra teny aminy ny reny akoho miampy zanany dimy. Efa mpamerin-keloka ity lehilahy tratra ity, ary efa mpiray tsikombakomba amin’ireo mpividy halatra.
Naiditra eny anivon’ny toby fanarenana zaza manao hadisoana any Vakinankaratra omaly, ilay tovolahy 15 taona, nanolana zazavavikely 5 taona, mandra-piandry ny fitsarana azy. Taorian’ny famotorana sy fampanoavana azy teo anivon’ny fitsarana, omaly. Tsiahivina fa naolan’ ity tovolahy ity, tao amin’ny tanàna iray, anatin’ny kaominina Ambohiborona, distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ny talata lasa teo, ilay zazavavy kely.

Partager sur: