Tsy mandry fahalemana i Toamasina : Mpianatra zanaka mpanao gazety niharan’ny herisetra

Ahina tanteraka ny mety hoavin’ny zanak’i Toamasina. Tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fanabeazana  any an-tsekoly sy ny fitaizana mi­ainga avy any an-tokantrano ka ma­namora ny fandairan’ny fomba fibeazana an-dalambe, anja­kan’ny asa ratsy. Ny tolakandron’ny alakamisy 13 febroary teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 55 minitra, raha iny hamonjy fianarana fanampiny, “cours”, miditra amin’ny 6 ora hariva iny ity zanaka mpanao gazety ity. Nandalo ny lalantany miditra ambadiky ny biraon’ny Fi­raisa­na Tanambao fahadimy sy se­ko­ly tsy miankina iray mivoaka ery amin’ny fitsinjarana solika, eo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Tanambao fahadimy. Nosa­kanana andian-jatovo mbola mpianatra teo izy, nalain’ ireto mpanao asa ratsy ireto an-keriny ny firavaka volafotsy te­ny amin’ny tanany havia, mbola niezaka hisintona ny kitapo teny an-damosiny koa ireo no nandalo ny namany hafa ka niezaka niaro azy. Saika ha­moaka hazo tany anaty akanjo ireo andian-jatovo mpanao herisetra. Tafa­tsoaka izy roa lahy ka teny amin’ny fivarotan-tsolika vao afaka ni­antso ny ray aman-dreniny fa nisy nanao herisetra sy nandroba.
Tonga teny an-toerana, noho izany, ny vatatenan’ ilay mpanao gazety nijery ifotony ny raharaha fa saingy efa tsy hita teo ireo andiana mpianatra manao asan-jiolahy.

Tandindomin-doza

Amin’ny akapobeny, tandindomin-doza tanteraka ny hoavin’ny mpianatra sy ny fandriampahalemana raha izao no tsy voafehy ary ahina ny hisian’ny “foroche” eto tahaka ny nitranga tany amin’ny faritra hafa teto. Zava-doza izany rehetra izany. Manana andraikitra ny ray aman-dreny sy ny sekoly na koa ny fanabeazam-pirenena ny fitandroana ny filaminana ma­­noloana ny firongatry ny ankizy tsy ampy taona efa miroso amin’ny asan-jiolahy.

Sajo

Partager sur: