Antanambao Manampotsy : Taolam-paty miisa 500 navoaka tao am-pasana

Tra-tehaka ireo taolam-paty nisy nandroba   tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kominina Antanambao Manampotsy, ny alin’ny alatsinainy 10 febroary teo.  Nandritra ny fanarahan-dia sy fikarohana ny manodidina, hitan’ny fokonolona sy zandary tao anaty ala ny  taolam-paty miisa 500.  Nojerena  ifotony tao anatin’ny fasana ka voamarina fa ireo  toerana nisy ny razana lahy no norobain’ireo olon-dratsy.  Voaroba avokoa ny zava-tsarobidy  nampanarahina ny razana. Raha hiverenana,  novakian’ny jiolahy miisa fito ny fasana tao Fanatsarana. Nisy nahatsikaritra io tranga io noho ny fisian’olona tsy dia mazavazava loatra. Hita fa niray tendro tamina mpandraharaha efa harahi-maso tao Ampasimadinika izy ireo. Vokany voasambotry ny fokonolona ny iray.  Matin’ny fitsaram-bahoaka, niharan’ny vono sy daroka izy, raha mbola karohiny  kosa ireo enina hafa. Hatreto, nanambara ny loharanom-baovao fa efa manao izay ho afany iarahany amin’ny mponina eny amin’ireo kaominina manodidina ny zandarimaria eo anivon’ny borigadin’ Antanambao Manampotsy.

Sajo.

Partager sur: