Baolina kitra : Nodimandry i Benony Jacques

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nin­daosin’ny fahafatesana omaly, tany Toamasina, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) teo aloha, i Benony Jacques. Raha tsiahivina, nitantana ny komitim-pirenena tamin’ny fandrindrana ny baolina kitra, ny taona 1990 – 1994, rehefa nandalo olana ity taranja ity. Taorian’io, nirotsaka ho filohan’ny federasiona ka lany hitantana izany nandritra ny 14 taona, ny 1994 -2003.
Tsy niala alavitra ny baolina kitra izy na tsy nitondra ny federasionina intsony aza. Nandalo olana indray ny federasiona malagasy ny taona 2018 ka nanatevina ny komity fanitsiana ara-drafitra, nitondra vonjimaika ity taranja ity, izy nandritra ny herintaona. Ankoatra ny fitantanany ny fe­derasionina, niasa teo anivon’ ny tranom-piantohana Aro koa ny tenany ary anisan’ireo ni­sa­hana ny fanatanjahantena tao, nandritry ny 31 taona. Manana ny mariboninahi-pirenena Grand-croix de 2 è classe, Itompokolahy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny Gazety Taratra.

Tompondaka

Partager sur: