Fahantrana… mampandroso

 

Ny fahasahiranana na ny fahantrana lalina sy maharitra ve no anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana tato ho ato amin’izao? Tonga hatramin’ny hala-boty etsy sy eroa amin’ny faritra sasany. Misy ny mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aripaka. Na ny fianakaviana ihany no anaovana fakana an-keriny na takalon’aina itakiana volabe, ohatra. Mety misy ny disadisa eo amin’ny fiarahamonina amin’izany? Na izany aza, saika fahantrana ihany no antony: mahazaka maniraka, manosika amin’ny fanaovan-dratsy na mampanaotao foana ny sasany.
Na ahoana na ahoana, tsy manery ho amin’ny fanaovan-dratsy toy ny halatra ny fahantrana. Tsy manakana tsy hanao na tsy hahavitana asa ratsy koa ny fananan-karena. Mifanohitra amin’izany aza no tokony hatao sy hiseho… Ahoana? Ny fahasahiranana na ny fahantrana no tokony ho fanoitra amin’ny fiainana, hananana hambom-po: resin’ny hafa ve tsy ho resin’ny tena, ohatra? Tsy firy no tonga amin’izany na manana izay toe-tsaina aman-toe-po izay. Nahoana? Ao ny tsy ilaozan’izay mitady tany malemy hanorenam-pangady, ohatra, na manantena haren-drahalahy, na miandry fanampiana lava… Ao anatin’izany ny malain-kisahirana, te hanan-karena tampoka, mampionon-tena amin’izay manjo dia miaritra tsy fidiny…
Amin’izany rehetra izany, ny fomba fijery sy ny toe-tsaina no mila harenin? Mahabe adihevitra izay: ny zava-misy no manova ny toe-tsaina sa ny toe-tsaina no hanovana ny zava-misy? Na ahoana na ahoana, tsy manery ho amin’ny fanaovan-dratsy ny fahantrana ary tsy misakana tsy hanao ratsy ny fananan-karena. Raha tena tiana sy hetaheta ny handroso, na ny fahantrana aza mampandroso amin’ny fananana hambom-po, fanaovana fanamby amin’ny tena ihany, fioirana… Misy ny azo atao fa tsy mijanona amin’izao?

R. Nd.

Partager sur: