Manohy ny fikojakojana sy fanadiovana ary fanalana ireo tsikafona eny amin’ny farihin’i Marais Masay Atsimo, mirefy 20ha, ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny Apipa. Nisy ny fidinana ifotony nataon’izy ireo teny an-toerana, ny sabotsy lasa teo. Fotoana nanohizana ny fanadiovana. Miha betsaka ny tsikafona amin’izao fotoan’ny orana izao ka antony hanalana ireo tsikafona. “Tanjona ny hahafahan’ny rano mikoriana tsara sy hahazoana tontolo iainana mirindra sy madio ary ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny olona eny amin’ny manodidina”, hoy i Rina Andriarinah, Chef de service étude et intervention eo anivon’ny Apipa. Mbola tsy manana ny fomba hanodinana azy ireny isika eto Madagasikara hatramin’izao, raha ny fanazavana voaray hatrany. Amin’ny ankapobeny, ataon’ny olona sakafon’ny biby fiompy, toy ny kisoa sy omby, izy ireny.
Mampiasa fitaovana maro
“Efa nanomboka tamin’ny 9 janoary teo ny asa, ezahina ny hamita izany ao anatin’ny roa herinandro”, hoy ny teknisiana eo anivon’ny Apipa. Ahitana fitaovana maro samihafa enti- manatanteraka ny asa eny an-toerana. Anisan’ izany ny Pelle mécanique, ny camion benne mirefy 20m3 roa ary camion kely 3m3 telo. Ankoatra izay, manodidina ny 80 isan’andro ireo olona manatanteraka ny asa eny an-toerana. Ny Apipa no miandraikitra ny asa. Manampy amin’ny fitaovana kosa ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsiahivina fa efa nahatratra 1 500m3 ireo toerana voadio. 1 960 m3 kosa ireo fako efa notaterina eny Andralanitra hatramin’izao.
Mino