Fanendahana eto an-dRenivohitra : Jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

Jiolahy roa lahy ikoizana amin’ny fanendahana mitam-piadiana niara-lavon’ny balan’ny polisin’ny SAG tetsy 67 Ha sy Paraky, ny zoma 14 febroary teo. Nanao fisafoana teny amin’ireo toerana voasokajy ho faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra ny mpitandro filaminana. Anisan’ny efa namoahana didy fikarohana rahateo noho ny asa ratsiny izy roa lahy ireo. Nifanehitra tamin’ny polisy ilay teny 67 Ha. Nitondra fitaovam-piadiana fampiasany amin’ny asa ratsiny izy. Nokasainy hovaliana tamin’ny antsibe ny polisy nisambotra azy. Nanao tongotra an-katoka nandositra ity farany rehefa nampitandremana mba hijanona. Vokany, maty voatifitra io jiolahy io. Tetsy ankilany, maty voan’ny bala koa ny mpanendaka amin’ny andro alina eny amin’ny manodidina an’ i Paraky, tamin’io andro io ihany.

Azo sambo-belona

Ankoatra ireo, olon-dratsy roa lahy saron’ny polisy teny Isotry, ny sabotsy 15 teo. Narahin’ny mpitandro filaminana maso, nikasa hanao fanendahana tamin’ny mpiantsena teny an-toerana izy roa lahy ireo. Noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy . Nentina natao famotorana eny anivon’ny biraon’ny polisy ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: