FANTINA sy FINTINA

Hanomboka hitsara ireo fifanolanana ara-pifidianana ny eo anivon’ny Filankevi-panjakana ny fiandohan’ny volana marsa izao. Nambaran’ny tomponandraikitra fa mbola mandray ny fitoriana izy ireo hatramin’izao. Maherin’ny 20 izao ireo fitarainana voarain’ny filankevi-panjakana hatramin’ny faran’ny herinandro teo.

Mitohy hatrany ny hetsika fanatsarana ny fotodrafitrasa sy fanamboarana izany ho an’ny kaominina Ivato. Nambaran’ny ben’ny Tanàna, Penjy Randrianarisoa, fa ampahany amin’ireo asa vita tao anatin’ny tapa-bolana nandraisany fitantanana izany. Nisongadina kokoa ny fanamboaran-dalana eny anivon’ny fokontany.

Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny ben’ny Tanàna teo aloha, ao Antsirabe. Tahaka izany koa ireo olona miisa 16 hafa noho ny resaka kolikoly amin’ny tany. Vesatra niampangana azy ireo koa ny fanararaotana fisahanana andraikitra.

Nampanantena ny hitondra ny feon’ny vahoakan’Antanambao Mahatsara any amin’ny minisiteran’ny Fitsarana ny depiote Ratsiraka Sophie. Nanatitra ny taratasy teny amin’ny minisitera, eny Faravohitra, ny tenany, ny herinandro teo.

Partager sur: