Fiarovana ny tontolo iainana : Marisika tsikelikely amin’ny fampiasana arina ekolojika ny mponina

Azo lazaina ho efa manomboka marisika amin’ny fampiasana ny arina ekolojika ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy amin’ izao fotoana izao. Noho ny fahatsapana ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny halafosan’ny arina tsotra eny an-tsena.

Miankina tanteraka amin’ ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay avokoa ny 95% ny tokantrano malagasy. Mbola lafo vidy ho an’ny vahoaka kosa anefa ny fampiasana gazy, fatana mandeha amin’ny herinaratra…, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny antony iray tena manimba ny tontolo iainana sy ny ala anefa izany. Vokany, mihamaro ny famoronana ny arina maitso na ny arina ekolojika mba hiarovana sy hanahenana ny fampiasana arina tsotra. Amin’ny ankapobeny, tsy mbola marisika amin’ ny fampiasana ny arina ekolojika ny ankamaroan’ny Malaga­sy. Antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fahafantarana sy ny tsy faharesen-dahatra eo amin’ny tsirairay. Ani­san’ny angovo azo havaozina maneran-tany ny arina ekolojika. Efa ahitana azy io avokoa ny firenena mandroso rehetra, eny fa na ny andalam-pandrosoana aza. Matetika vita amin’ny vovoka arina tsotra, poti-kanina, fako, ravinkazo, bozaka, apanga ary afangaro amin’ ny vovoka mangahazo ny akora ampiasaina.
Maro tombontsoa ny fampiasana ity arina maitso ity. “Anisan’izany, ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanenana ny fanapahana ala”, hoy i Mi­andrisoa Andrinirina, tale ara-barotra eo anivon’ny orinasa mpamokatra arina vanja ao amin’ny Mada ecolojy. Mana­he­na ny fandaniana eo amin’ny vola mivoaka isan-tokantrano koa izany. Mitsitsy no sady maharitra am-patana ary tsy mandoto ny arina ekolojika. “Mampihena ny fandaniana ihany koa satria tsy mila manapoka be intsony fa arina kely ihany dia mahamasaka sakafo”, hoy izy. Tsy misy voka-dra­tsiny amin’ny fahasalamana ihany koa, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Lasa 1 600 Ariary ny 6 000 Ariary teo aloha

Varotana amin’ny kilao ny arina ekolojika eny anivon’ny mpivarotra. Manodidina ny 800 hatramin’ny 1 000 Ariary eo izany. Raha ho an’ity orinasa mpamokatra arina iray ity, ma­havokatra arina manodidina ny 5 t isan’andro ary mampiasa olona 26 izy ireo. Anisan’ny mpanjifa ny vokatra ny mpivarotra hani-masaka, ny toeram-pisakafoana ary ny mpanao savony, hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Mbola vitsy ny olon-tsotra manjifa izany.
Ho an’ny tokantrano iray nanontaniana, nihena ho 1 600 Ariary isan’andro ny arina ekolojika lanin’izy ireo. Raha toa ka nahatratra 6 000 Ariary isan’ andro taloha. Nahafa-po azy ireo ny fampiasana ity arina maitso ity satria manahena tanteraka ny fandaniana sy ny vola mivoaka. “Vola tsy main­tsy mivoaka mantsy ny hivi­diana arina, ka atao ny hanahenana izany araka ny tokony ho izy ka antony ampiasaiko ny arina maitso”, hoy i Nirina Malalatiana, renim-pianaka­viana iray nanontaniana. Mandany arina tsotra iray gony ny tokantrano iray amin’ny ankapobeny. Mahatratra eo amin’ny 35 000 Ariary ny vidin’izany amin’izao fotoana izao. Nihena ho 25 000 Ariary kosa izany, raha toa ka mampiasa ity arina maitso ity. Manodidina ny 20 kg eo ny gony iray amin’izany. Raha ho an’ny trano fisakafoana iray nanontaniana kosa, nandany arina tsotra 30 gony isam-bolana izy ireo teo aloha. Nihena ho 14 gony isam-bolana izany ankehitriny, noho ny fampiasana arina ekolojika.

Miteraka olana ny haratsian’ny toetr’andro

Mandalo dingana maro ny asa fanodinana sy famokarana ny arina ekolojika. Angonina ny akora ampiasaina, izay safidian’ny mpamokatra. Totoina atao malemy tsara ary avy eo sivanina. Andrahoina amin’ny vilany mandritra ny 30 minitra eo ny koba mangahazo (fecule). Afangaro amin’ny vovo-tsaribao izany rehefa masaka, ary ampiana sira vaingany. Mba hahatsara ny vokatra. Volavolaina hahazo endrika izay tiana avy eo ary hamainina tsara mba ho azo ampiasaina tsara. “Miandry fotoana kely ny fanamainana ny arina vita, miankina betsaka amin’ny toetry ny andro izany”, hoy hatrany i Mi­andrisoa Andrinirina, tale ara-barotra eo anivon’ny orinasa mpamokatra arina vanja ao amin’ny Mada ecolojy.

Fandrehetana ny arina ekolojika

Tsy mitovy amin’ny fampiasana arina tsotra mahazatra ny arina maitso. Anisan’ny mampiavaka azy ny tsy maintsy ampiasana ny makaraka vita amin’ny “fer 6”, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ilaina be ny rivotra mba hampiaina ny afo tsara ka anton’izany. Mila kororohina tsara ihany koa ny afo mba hampiala ny lavenona. Fomba tsotra tsara atao ny mandrehitra arina tsotra raha mbola tsy zatra. Rehefa mahazo rehitra tsara izany vao ampiana arina ekolojika amin’izay.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: