Na nisesy aza ny orana, tsy niantraika tamin’ny RN6 ny rivodoza Faida sy ny orambe nisesy taty aoriana. Niroso tamin’ny fanarenana avy hatrany ny MTP.
Ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana tanteraka izao. Tsy namela takaitra be loatra tany avaratry ny Nosy ny rivodoza Faida sy ny rotsakorana betsaka taty aoriany. Nisy ny ampahan-dalana tapaka sy nihotsaka, indrindra tany amin’ny lalam-pirenena 6. Anisan’izany ny fihotsahan’ny sisin’ny arabe eo amin’ny PK194 any Andrevorevo, vokatry ny fiakaran’ny rano. Tapaka ny antsasaky ny arabe, ka ny ilany sisa no afaka ivezivezena. Nisy nangalatra ny fantsombe (buse), any Ambinanitelo, eo anelanelan’Ambalafaminty sy Anjiamangirana (PK 221), ka nihotsaka ny arabe. Tsy mbola afaka mandeha ny fiara vaventy, ankehitriny, raha afaka mivezivezy ny fiarakely.
Manoloana ireo, ataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) vaindohan-draharaha ny manao asa vonjimaika, hanarenana ny teboka simba mba hiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny faran’ny haingana. Efa any an-toerana ny orinasa manatanteraka ny asa fanarenana. Miara-miasa akaiky ny MTP sy ny faritra Sofia amin’ny fampitaovana, manafaingana ny asa.
Asa maharitra
Manampy ireo, misy ny asa fanamboarana maharitra hotanterahina amin’ny RN6. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa CERC/PCMCI, miandry ny fankatoavan’ny Banky iraisam-pirenena izay hamatsy vola ny asa. Eo koa ny tetikasa vatsian’ny Tahirimbolan’ny lalana vola, izay vola miditra amin’ny fanjakana avy amin’ny hetran’ny solika sy ny vokatra ara-tsolika (TUPP). Eo am-panatanterahana ny fampahafantarana ny tsenam-baro-panjakana ho an’izay orinasa hanao ny asa.
Miasa andro aman’alina (24 ora/24 ora) ny Foibe vonjitaitra ao amin’ny MTP rehefa fotoam –pahavaratra toa izao. Manangona ara-potoana ny vaovao rehetra mahakasika ny fotodrafitrasan’ny lalana manerana ny faritra.
Njaka Andriantefiarinesy