minisiteran’ny Mponina : Zana-kazo 3 000 isa novolena

Nosafidian’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina manokana ny toerana any Antsapanimahazo, nanatanterahina ny fambolen-kazo tamin’ity taona ity. Io toerana io no handray ireo olona hifindra monina sy vonona hiary ao.
“Ho fanajariana ny tanàna haha te-honina mba hovantanan’ireo olona voasokajy ao anatin’ny tetikasa Ankohonana Miarina no anton’ny fambolen-kazo”, hoy ny minisitra Razafinjato Aurélie.
Hazo fihinam-boa marobe sy ravaky ny tanàna no novolena tamin’izany. Dieny izao dia hofefena amin’ny vala maitso ny tanàna hanavahana azy amin’ny tanàna hafa ihany koa.
Miara-miasa amin’ny vondron’olona ifotony ny minisitera amin’ny asa fambolen-kazo hisian’ny fiarahamonina mirindra sy teny ierana amin’ny fikojakojana ny zana-kazo…
Nanentana ny fokonolona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatevenana ny ala sy hanatsarana ny tanàna ihany koa ny minisitra, indrindra hanaja sy hiaro ny tontolo iainana izay miantoka ny fahalavorarian’ny toetr’andro.

Tatiana A

Partager sur: