Tafapetraka omaly, eo amin’ny toeran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofomanga. Olom-panjakana maro no tonga nanatrika ny lanonana tany an-toerana.
Notontosaina ny sabotsy teo, tao an-drenivohitr’i Boeny, ny lanonana manokana nametrahana ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofomanga na i Maire Daddy. Nitarika ny lanonana, tamin’izany, i Marson Moustapha Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sady ray mpiahy ity faritra ity. “Ilaina ny manambatra ny hery, mba hahafahana mametraka ny tena asa fampandrosoana ho an’ny tanàna”, hoy ny minisitry ny MJS, nandritra ny anjaram-pitenenany.
Nomarihiny fa maro ny andraikitra miandry sy mbola hatao amin’ny tanànan’i Mahajanga. Anisan’izany ny fametrahana ny toby famokarana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, “Parc solaire”, ny fanamboaran-dalana izay efa mizotra amin’izao fotoana. Tonga nanatrika ity lanonana ity koa ireo loholona, minisitra maro avy amin’ny governemanta, ny governora, ireo lehiben’ny prefektiora sy distrika, ary ben’ny Tanàna maro.
Mialoha ity hetsika ity, niaraka nidina ifotony, nijery ny toerana hametrahana ilay toby famokarana angovo azo havaozina na “Parc solaire”, ny minisitry ny MJS sy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny zoma lasa teo. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, mba hijerena akaiky ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika, mifandraika amin’
izany any amin’ny faritra Boeny.
F.R