Natao ny 14 febroary teo, teny Ankadilalana, fokontany Ambatomirahavavy, kaominina Ampanotokana, ny fambolen-kazo 2025 ho an’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny rantsamangaikany. Nitarika ny hetsika ny minisitra Rafidison Richard Théodore, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Nandray anjara koa ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd). Natao izany, araka ny vinan’ny Filoham-pirenena ho fanamaitsoana an’i Madagasikara.
Miisa 2 000 ny zana-kazo voavoly, tamina velarantany 2 ha. Nahitana Acacia, kininina « Eucalyptus citriodora » sy « Eucalyptus robusta » ary hazo fihinam-boa ireo novolena. Nanamafy ny minisitra Rafidison Richard Théodore fa vita ny adidy masina ho an’ny tanindrazana, sady nametraka lova ho an’ny taranaka. Nanome toky ny vondron’olona ifotony, ny fokonolona any Ampanotokana, fa hanara-maso sy hiaro ny zana-kazo amin’ny doro tanety. Tsiahivina fa lohahevitra amin’ity taom-pambolen-kazo 2025 ity ny hoe, « Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo ».
Njaka A.