Rugby « XXL Top 12 » : Afa-bela tamin’ny Tam ny TFMA Ankasina

Fantatra ny alahady teo ireo klioba roa tafita amin’ny manasa-dalana izay hifanandrina amin’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa Miaramila. Nahavory olona maro ny lalao teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka.

Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana nahafantarana izay hanao ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”, taranja rugby. Anisan’ireo klioba tafavoaka tamin’izany ny TFMA Ankasina. Resin’izy ireo tamin’ny isa, 37 no ho 29, ny Tam Anosibe. Afa-bela tamin’ireo mpilalaon’Anosibe, ny XV Flèches Ankasina na ny boaikely manohitra. Tsiahivina fa resin-dry zareo Tam, tamin’ny isa, 24 no ho 19, ny ekipan’ Ankasina, nandritra ny fifanintsanana ady laharan’ny Top 12. “Tsy hametraka ny lalao ho ambany mihitsy ny TFMA. Hiezaka hatrany izahay amin’ity fifaninanana ity “, hoy Rakotoniaina Fidelis na ny Coach Loda, mpanazatra ny TFMA. Ny ekipan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’i Madagasikara farany moa no hifandona amin’izy ireo, eo amin’ny manasa-dalana. Ankoatra izay, tsy mbola tafavoaka teo anatrehan’ny Uscar ny TFA Anatihazo, omaly. Niondrika teo anatrehan’ny klioban’ny kaominina an-dRenivohitra, 20 no ho 16. Ny Cosfa miaramila, no mitsena ny Uscar. Tsara marihina fa ny FTM sy ny Cosfa miaramila, miandry manasa-dalana avy hatrany, noho izy ireo nahazo ny laharana roa voalohany nandritra ny fifanintsanana voalohan’ny « XXL Top 12 ». Mijanona ao amin’ny federaly I ny UASC Cheminot. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 22 no ho 16, ny 3FAI. Hatao amin’ny volana marsa ny manasa-dalan’ny « XXL Top 12 » raha tsy misy ny fiovana farany.

Fitia Randria

Ireo voka-dalao rehetra
UASC (22)-(16) 3FAI
TFMA (37) vs (29)TAM
USCAR (20) vs (16) TFA

Partager sur: