“Tena matotra” : Mbola tompon’ny fampisehoana i Njakatiana!

Ora telo mahery, nanehoan’i Njakatiana indray fa voafehiny tanteraka ny sehatra. Ireo mpankafy rahateo no nandahatra ireo hira, izay saika niaraha-niredona hatramin’ny farany.

“Tsaroanao ve ilay fiarahantsika?” Hoy ny fanontaniana napetrak’i Njakatiana, tao anatin’ilay hirany “Meteza hahatsiaro”. Misy antony tokoa matoa ity hira ity no nosafidiany nanokafana ny fampisehoana tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, oma­ly. Hira anisan’ireo nanamarika ny fiandohan’i Njaka­tiana an-tsehatra, tany amin’ny voalohandohan’ny taona 90 tany mantsy izy io. Nitsapany ny fandraisan’ny mpankafy azy, satria na dia efa ela aza, niara-niredona avokoa ireo mpijery. Maromaro ireo notsongaina tao anatin’ny rakikira voalohany tamin’ny taona 1992 no naverin’i Njakatiana.
Vao fampidirana dia tsapa ilay endrika fampisehoana mbola maha Njakatiana an’i Njakatiana. Tsy misy seho mitovy izany, fa manana ny mampiavaka azy avokoa ka mitoetra ho tantara hatrany ny fiarahany amin’ny mpankafy. Tsy ny fiseharana ihany, fa nahitana endrika ilay hoe “Tena matotra” na ny ravaka na ny lafiny teknika. Ny tamin’ity indray mitoraka ity, ireo mpankafy no nanontaniana mialoha tao anaty tambajotran-tserasera, izay hira tian’izy ireo hatao an-tsehatra. Nivoaka tamin’izay ny filaharan-kira: Hira 40 eo ho eo, ankoatra ny nataon’ireo vahiny nasaina. Hafa indrindra ny nidiran’i Nini Kiaka ny sehatra. Vao nidina ny moto izy, avy dia nihira ny “Aoka moa”, fampiaraham-peon’i Nini sy i Njakatiana. Nitondra ny feo mangany ihany koa Inah, tanatin’ilay hira ” Maka tsirony”.
Nifandimby nandritra ny tapany voalohany ny karazan-gadona. Ny milamindamina miresaka fitiavana toa ny “Fa ianareo roa”, “Avelao aho hitia” sy ny “Tsara ny fitiavana”. Teo koa ny mihetsika toa ny “Manjatiana”, “Havako namako”, “Lasa ary aho”, sns. Voarain’ny mpankafy tsara ny tarika. Izy 3, izay nindrana ny “Anatra”, sanganasan’i Njaka­tiana ihany.
Hira efa tsy afaka am-bavan’ny rehetra toa izay hatrany koa no nandravaka ny tapany faharoa. Nanomboka azy ny “Vetson’ny selibatera”, nitsimbadika tamin’ny “Gasy gasy”, “Kiaky ny manina”, “Aza complexé,”, sns.
33 taona an-tsehatra, fa mbola mitoetra ny lazan’i Njakatiana raha notarafina tamin’ny seho omaly. Mbola manaporofo izany, handeha hivoaka hanao andian-tseho any Frantsa ny tarika Njaka­tiana iray manontolo, aorian’izao.

Zo ny Aina

Partager sur: