Trafikana Cocaïne, 16 Miliara ariary: Maorisianina telo sy Malagasy dimy naiditra am-ponja

Saron’ny zandarimariam-pirenena misahana ny ady heloka bevava, ny faran’ny herinandro teo, ireo zava-mahadomelina (Cocaïne) milanja 16,45 kilao. Olona sivy, mpiray tsikombakomba voasambotra.

Mitentina 16 miliara mahery ireo zava-mahadomelina sarona ireo. Zava-mahadomelina ma­hery vaika avy any Pakistan saika haondrana antsokosoko any Nosy Maurice ireto tratra ireto, raha ny tatitra avy amin’ny lehiben’ny Sam­pana fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana, ny colonel Ravelo­manana Tahiana. Fantatra, nandritra izany, fa ahitana teratany maorisianina sy malagasy ny tambajotra goavana manao ity raharaha maloto ity. Nisy ny fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ka nahafahan’ny mpitandro filaminana nisambotra sy nanara-dia ireto mpanondrana zava-mahadomelina ireto. Vokany, tratra ny olona iray ary nentina nohadihadiana. Izy io no nanoro ireo namany sy mpiray petsapetsa aminy miisa sivy, tamin’ny fanaovana io asa ratsy io. Nahitana teratany maorisiana telo sy Malagasy enina. Ankoatra izay, mbola tratra nanao kolikoly tamin’ny zandary mpanao famotorana ihany koa izy ireo, mba hamerenana ny entana sy hamotsorana ireo voasambotra. Nogiazana ireo volabe nokasaina homena ny zandary, niampy koa ny vesatra hanenjehana azy ireo.

Mandeha lalana maromaro ny entana
Mandeha sambo miala any Pakistan. Alaina amin’ny lakana haingam-pandeha eny am-povoan-dranomasina any Toamasina kosa izany avy eo. Hatoby amin’ny toerana azo antoka mba hitondrana azy ho any amin’ny Nosy Maorisy. Nisy olana teny an-dalana ireo vedety nitondra ny entana, ary nihitsoka tao amin’ny morontsirak’i Mananjary nandritra ny 25 andro teo ho eo. Vokany, nitady hevitra ny tomponandraikitra ka nitady sambo hitarika azy ireo ho any Faradofay. Rehefa tonga teo, nentina fiara tsy mataho-dalana, avy any Faradofay hihazo an’Ambositra, ary nalefa taxiborosy ary tonga teto Antananarivo. Mitohy ny fikarohana ireo ampahana zava-madahomelina tratra ireo hatramin’izao. Toy izay ihany koa ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba amin’ireo mpanao asa ratsy. Htolotra ny fitsarana avy hatrany izy ireo aorian’ny famotorana atao.

Mino

Partager sur: