Maty tsy tra-drano, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo ny fiara nentiny omaly hariva ny mpamily fiara fitaterana zotra F iray. Mpandeha fito naratra ary efa nalefa notsaboina eny anivon’ny HJRA Ampefiloha, rehefa avy noraisina tao amin’ny CSB2 Alasora. Nivarina tany anaty hantsana, tamin’ny lalana mihazo an’i Dialambo, kaominina Alasora ny fiara ka nitarika ny loza.
Tovovavy iray 17 taona no nisy nanolana sy nidaroka ny alakamisy teo, tao Fasindava, fokontany Asana, kaominin’Ankaromalaza Mifanasoa, distrikan’i Vohibato. Nosaroman’ ireo olon-dratsy avy any aoriana tamin’ny lamba ny lohany. Vokany, voatery nodidiana, noho ny ratra mafy nahazo azy izy. Tonga namangy azy teny anivon’ny hopitaly ireo manam-pahefana any an-toerana.
Dahalo mifamono sy lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana. Hita maty tao Andranovily amoron’i Manampatra, Ambohimandroso, ny 13 febroary 2025 i Daniny, dahalo raindahiny. Dahalo telo naman’izy ireo no nahavanon-doza. Tratra andro vitsy taty aoriana ny iray tamin’izy telo ireo, ary voatifitry ny miaramila tany Ambanato Vohimasy fa saika hangalatra omby. Dahalo roa hafa maty lavon’ny balan’ny miaramila, ny 14 febroary teo.
Karohina fatratra ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Jirama Ambohimiadana Andramasina . Nitondra vola an-tapitrisany maro nitsoaka izy. Vola nefain’ny mpanjifa tany an-toerana, ary tokony ho narotsany tany amin’ny banky. Efa nametraka fitoriana an’io mpiara-miasa nahavanon-doza io ny Jirama amin’izao fotoana. Iangaviana hampandre ny manam-pahefana izay mahita azy io.