Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny Malagasy

Tapitra teo amin’ny ankatoky ny famaranana ny dian’ny ekipa malagasy roa, nandritra ny famaranana lehibe, niadiana ny “Petanque passion française (PPF 2025)”. Fihaonana notanterahina omaly, tany amin’ny kianja Aix-en-Pro­vence, France. Raha tsiahivina, nomontsanin’ny ekipan’i Monros sy i Luc Laillé ary i Guillaune Magier, tamin’ny isa mavesatra, 13 no ho 2, i Nanou sy i Racle niaraka tamin’i Tselonina. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa nanjakan-dry zareo frantsay tanteraka.
Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny rehetra koa ny an-dry Zigle, Tiana ary i Baloty. Tsy namaly ny hetahetan’ny mpijery tonga maro tany an-toerana ny endri-dalaon’ny ekipa malagasy. Lavon’i Gime­nez, niaraka tamin’i Winters­tein sy i Cognard, tamin’ny isa 13 no ho 8 ry zalahy. Nandiso fanantenana ny mpankafy ny vokatra satria nitarika tamin’ny isa 6 no ho 0 ry Zigle, teo am-piandohana. Nihevitra ny rehetra fa ho tataka be ny “score” saingy tsy nihetsika teo intsony ry zalahy fa nihoaran’ireo mpifanandrina taminy. Tsy tena tafiditra tao anaty lalao i Zigle, fa nanary ireo ka­netibe teny an-tanany tamin’ ny ankapobeny. Adin’ny samy mpilalao frantsay izany ny famaranana ity “PPF 2025” ity. Tsiahivina fa nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny ekipa nisy an’i Dylan Rocher sy ilay Ita­lia­nina, tompondaka maneran-tany 2024, i Diego Rizzi.
Ny fanomanana ny “Masters” sy ny “Tournoi estival” indray no dingana manaraka ho an’ny mpilalao malagasy. Fihaonana hatao any France ihany manomboka ny volana jona ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: