VAOVAO TAMBATRA

Miisa 64 ny fiofanana momba ny tetikasa « Jumelage SPS », novatsian’ny Vondrona eoropeanina (UE) vola, nandritra ny roa taona sy tapany. Tetikasa fiofanana ho an’ny teknisianina nifantoka tamin’ny fifehezana ny Fenitra ara-pahasalamana sy fahadiovana (SPS) ny vokatra ara-pamokarana sy ara-tsakafo. Miara-miombona antoka amin’ny fanatanterahana azy i Frantsa, Italia ary Madagasikara.

Nihena 50% ny vokatra letisia teto Mada­gasikara ho an’ny taom-pambolena 2024, araka ny tombana nataon’ny foibe CTHT Toamasina. Antony, tsy ampy ny rotsakorana, nandritra ny fotoana tokony haha matoy ny voa. Manodidina ny 80 000 t isan-taona ny vokatra letisia eto Madagasikara, saingy io nihena io, izany hoe, tombanana ho 40 000 t ny taona 2024. Manodidina ny 18 000 t kosa ny fanondrana any ivelany.

Misokatra ny fisoratana anarana ho an’izay handray anjara amin’ny ITM 2025, hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany. Manomboka ny 20 febroary ny fisokafan’ny fisoratana anarana, fa ny 17, ny 18 ary ny 19 febroary kosa ny famandrihana ny toerana tiana hosafidina. Misy koa ny fiantsoana ny orinasa liana hikarakara ny ITM, ka misy fivoriana atao ny 18 febroary amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny biraon’ny ONTM Antsahavola.

Partager sur: