Antoko Alfa : “Maika kokoa ny tena mahasoa ny vahoaka”

Nanatanteraka ny kongresiny teny Ambohimangakely ny antoko Lay fitiavana an’ny rehetra (Alfa na ny LayFar teo aloha), ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa navadika ho antoko ity fikambanana ity. Natao izany mba handraisana andraikitra bebe kokoa ary hamelona indray ny tsirim-panantenan’ny Malagasy manoloana izao fahasahiranana mandalo izao. Mankasi­traka ny politika itondran’ny filoha Rajoelina Andry ny firenena koa izy ireo ary tsy mpanohitra. Nanterin’ny mpitarika, Rakotoniaina Mamitiana, fa tsy mitsikera ny maha izy azy ny olombelona tsirairay izy ireo. “Tsy mety kosa ny fomba fiasa tsy mety sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny fitondrana no mampihatra ilay fanaovana politika lany andro. Deraina ny tsara rehetra nataon’ny fitondram-panjakana saingy ampirisihina bebe kokoa hanamafy ny tena maika sy mahasoa ny vahoaka”, hoy izy. Tokony hasiana fiheverana izy ireo ka ny tsy mety mila hahitsy, ny tokony hosoloina soloy, ny tokony hasintaka aleo mitazana, araka ny nambarany. Nanteriny fa mijoro hanitsy sy hanarina izany fomba fanaovana politika lany andro izany ny Alfa. Himasoana ny fijerena ny tombontsoam-pirenena sy ny mahasoa ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany. “Hampiasa ny fahaiza-manaony avy ny mpikambana ao aminy isan’ambaratongany amin’ny sehatra misy azy avy”, hoy izy.
Tsiahivina fa nahatafiditra ben’ny Tanàna maherin’ny 20 izy ireo ary misy ny resy teny anivon’ny Fitsarana namoaka voka-pifidianana. Mbola na­metraka fitoriana fandravana didy koa anefa izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: