Arivonimamo : Nanentana ny mpianatra ny zandary

Nidina ifotony teny anivon’ireo sekoly tany amin’ny CEG sy Lycée Coindre Arivonimamo, ny borigadin’ny zandary any Arivonimamo, omaly. Nanao fanentanana an’ireo mpianatra mahakasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izy ireo, nandritra izany. Ankoatra izay, mba hahafahana miady amin’ny karazana herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy. Eo koa ny ady amin’ny famarinan’olona sy ho fiarovana ny zon’ny ankizy.
Mbola hitohy ny hetsika, hatao ao amin’ny Lycée privée Jonhson sy ny Lycée Arivonimamo indray izany, ho an’ny anio. Hisitraka izany indray ny ao amin’ny CEG Arivonimamo II sy ny lycée technique professionnelle Manandona Arivo­nimamo, ny alarobia. Ankoatra ny mpianatra, ilaina ny fihainoan’ireo ray aman-dreny sy ny mpampianatra ny fanentanana mba hahafahana miaro ireo zaza, raha ny fanazavana voaray. Tanjona ny hahazoana fahalalana sy torolalana isan-karazany hoentina misoroka sy miady amin’ny karazana herisetra mianjady amin’ny ankizy.

Mino

Partager sur: