“Milaza ny lalàna fa telo volana aorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna, tokony hirosoana ny fifidianana filohan’ny fokontany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Firaisankina tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, Ramilison Andriamampionona Nomenjanahary. Ny lehiben’ny distrika no manao ny antso hifidianan’ny vahoaka mivantana izay ho filohan’ny fokontany. Tsy handaniam-bola izay. Famoriana ny vahoaka feno 18 taona. Amin’izay no hametrahana izay fifidianana filohan’ny fokontany, izay amin’ny alalan’ny latsa-bato miafina. Fidina amin’izany ny komitim-pokontany: ny filohan’ny fokontany sy ny filoha lefitra. Fifidianana roa samy hafa ireo, fa tsy hoe izay laharana faharoa no lasa filoha lefitra. Alefa aloha ny fifidianana filohan’ny fokontany; manaraka, ny fifidianana izay ho lefiny.
Ny filohan’ny fokontany no tena mahita ny fiainana andavanandron’ny vahoaka eny anivon’ny fokontany. Izay no anaovana antso hanairana ny mpitondra mpanatanteraka. Fotoana izao ahazoan’ny vahoaka mifidy izay tena ho filohan’ny fokontany sy ny lefiny hitondra ny fokontany. Satria tokony ho olona monina eny anivon’ny fokontany no hofidina filohan’ny fokontany, fa tsy olona ivelan’ny fokontany.
R. Nd.