Nibata ny fandresena tamin’ny fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina natao tany Addis Abeba, ilay Djibosianina, i Ali Mahamoud Youssouf. Niala an-daharana tany amin’ny fihodinana fahafito ny kandidà kenianina, Raila Odinga, raha noheverina ho misongadina. Resy tany amin’ny fihodinana fahatelo kosa, Randriamandrato Richard.
Mahay jeopolitika sy diplaomasia avokoa ireo mpanao facebook, araka ny nambaran’i Rinah Rakotomanga, taorian’ny voka-pifidianana amin’ny ho filohan’ny Vondrona afrikanina ka naharesy ny kandidà malagasy. “Tsy gaga isika raha tsy mandroso na miezaka tahaka ny inona aza ny mpitondra! Isika ihany no tsy tia sy manaratsy ny antsika”, hoy izy.
Nahitsy ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy fa miteny noho ny fankahalana ny mpanohitra sy ny mpanao facebook, manoloana ny faharesen’ny kandidà Randriamandrato Richard, tany amin’ny fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina. “Tena tsy ampy fahalalana ankapobeny ka tsy manana fanohanan-kevitra mitombina”, hoy izy.
Voafidy ho mpikamban’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina misahana ny zo iraisam-pirenena, Ramananarivo Narindra Arivelo. Nahazo vato 44 amin’ny 49 ny tenany tamin’ny fifidianana natao tany Addis Abeba, ny sabotsy teo. Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, fa zava-dehibe eo amin’ny iraisam-pirenena izany.