“Manana vina goavana ny faritra Anôsy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ity taona ity. Handrakotra ala amina velaran-tany mirefy 4 100 ha ny tanjona”, hoy ny governora Rakotovelomanantsoa Voahary.
Kendrena amin’izany ny handraisana anjara amin’ny fampitsaharana ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ho famerenana ny tontolo voajanahary ary ho fiadiana amin’ ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Mitaky ny fiaraha-mientan’ny ankolafin-kery rehetra ny fahavitan’izany asa miandry izany. Mila ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay mihitsy ho tomponandraikitra amin’ny fanorenana hoavy maitso sy haharitra ho fiantohana ny fiainan’ny taranaka aoriana.
Nanokatra ny taom-pambolen-kazo ny faritra Anôsy, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ho fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Zana-kazo zanatany miisa 5 000 no novolena. Nahitana ny hazo sambalahy, rotra, sagniry, voapaky, harandranto, Amboara, Ankalavelo…
Samy naneho fahavononana ny sampandraharaha rehetra ao amin’ny faritra amin’ny fiombonana hikolo ireo zana-kazo novolena ary hanohy ny ezaka amin’ny fanamaitsoana an’i Madagasikara. Santatry ny fambolen-kazo ihany no natao fa mitohy izany amin’ny toerana hafa hanatrarana ilay 4 100 ha.
Tatiana A